Ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra
Sal.91. 1-8/ Hira4/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 26)
Nomery 24,1 – 11
1 Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. 2 Dia natopin’i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama. 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony 4 Izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: 5 Endrey ny hatsaran’ny lainao, ry Jakoba Ă´! sy ny lasinao, ry Isiraely Ă´! 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. 7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. 8 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ny zana-tsipìkany. 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao! 10 Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao. 11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
Ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra
1- Manaiky hiova hevitra
« Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy… » (and. 1). Rehefa nahita ny hamaroan’ny Zanak’Isiraely i Balaka mpanjakan’i Moaba, dia nanpiantso an’i Balama mba hanozona ny Zanak’Isiraely. Efa vonona tamin’izany i Balama ka efa naniraka an’i Balaka hanorina alitara sy nampanomana vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy. Nony nahalala ny hevitr’Andriamanitra i Balama dia niala tamin’ny sikidy satria nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra. Araka izany, ny olona nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra ka mahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra dia manaiky hiala amin’ny sampy ka hitodika amin’Andriamanitra.
2- Manao ny sitrapon’ Andriamanitra
« Hanozona ny fahavaloko no niantsoaka anao, kanjo efa nitsodrano azy intelo hianao izao » (and. 10). Teny nataon’i Balaka tamin’i Balama izany. Hanozona ny Zanak’Isiraely tokoa no niantsoana azy, kanjo nitsondrano ny Zanak’Isiraely no nataony. Lasa mpanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra i Balama, ilay nantsoina hitsangana ho fahavalon’ny Zanak Isiraely. Rehefa fantany ny sitrapon’ Andriamanitra dia tonga mpananteraka ny izany izy. Rehefa fantatrao à ry ny sitrapon’Andriamanitra, aza misalasala manatatnteraka izany avy hatrany. Mety misy ny fifanarahana mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra nataonao tamin’ny namanao; kanefa rehefa fantatrao ny ankasitrahin’ Andriamanitra, ao amin’i Kristy, dia tanteraho.
Fanontaniana:
Inona no fomba hialana amin’ny fanozonana ny hafa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady

Leave a Reply