Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA
– Ao amin’ny fifampizarana no ahitantsika ireto manaraka ireto:
« STK voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara »(Jao. 15: 16) « Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (1 Kor. 15: 58b) Ry Havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa
Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Kor 15:58d) Misaotra ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha 20, izay natao tany Taolagnaro, ny 13-20 Aogositra 2025 lasa teo.
Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa
Kristy Tompo, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nanatanteraka ny fivoriany voalohany tao amin’ny CFD Ampandrana,
ny 15 – 22 Oktobra MF 01 SLXX, taorian’ny Synoda Lehibe faha-20 dia mitondra izao hafatra izao ho
Kristiana FJKM manerana ny sahan’ny FJKM.
Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa amantsara ny fivoriana voalohany MF1 SLXX.
Nankatoavina tamin’izao fivoriana voalohany taorian’ny SL XX izao ny fijerin’ny Filohan’ny FJKM sy
ny fomba banatanterahana ny Vina sy ireo fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro. Izany dia mifantoka
amin’ny foto-kevitra roa lehibe dia ny FINOANA sy ny FAMPAMOKARANA, ary nofaritana amin’ny teny
fanoitra hoe : « Finoana mamokatra, mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra tsy tapaka »
Tontosa koa ny fifidianana ireo tomponandraikitra ao amin’ny Mpanatanteraka hitarika amin’ny
fanatontosana izany foto-kevitra izany dia ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tonian’ny Departemanta efatra,
araka izao :
Ampahafantarina isika, araka izany fa efatra (04) ny isan’ny Departemanta tinapaky ny S.L. XX ary
nisy fanovana ny anarana mba hahazoana mikendry ny tanjona araka ny Vinan’ny FJKM.
Voafidy tamin’izao MF1 S.L. XX izao koa ny Birao sy ny Mpikambana ao amin’ny FIFAMPI Foibe sy ny
FIFAFI Foibe ary ireo Mpandinibolan’ny FJKM Foibe.
Tanteraka soa amantsara ny fametrahana ara-pombam-piangonana ny Filoha sy ny Biraon’ny
Mpiandraikitra Foibe, ary ireo rehetra voafidy tamin’izao fivorian’ny MF 01 SL XX izao, izay notanterahina
teny amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao, tamin’ny Alahady 19 Oktobra 2025.
Ampahafantarina isika fa mitohy ny Hazakazaka Masina nataontsika ary nohatevenina tamin’ny
fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro aza izany. Koa ampirisihina sy ampaherezina hatrany isika
hahefa be amin’izany hazakazaka Masina izany.
Aoka hanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny Sekoly FJKM ka hantanteraka ireo adidy samihafa
manandrify ny isam-pitandremana, ary ampirisihina hatrany ny hanatanterahantsika ny Kitapo
Iombonan’ny Sekoly (KIS).
Manentana hatrany antsika Synodamparitany sy Fitandremana mba hikajy ny fananana ary
hampamokatra ireny mba hahazoantsika mampandroso ny Fiangonana sy hijoro ho vavolombelona eo
anivon’ny fiarahamonina. Taomina koa isika mba samy hanatanteraka ny Adidy lombonana amin’ny
fotoanany avy, satria mariky ny fiombonantsika izany.
Farany, manentana antsika hatrany mba hahatsiaro hitondra hivavaka ho an’ny firenentsika, fa hoy ny
Soratra Masina: « Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatuo izay fangatahana, fivavahana,
fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba
hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana
rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika. » (2 Tim 2, 1-3).
Amin’ny Anaran’ny Mplandraikitra Foibe,
KRNg Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe


Sal.4:1-5 / Hira 151,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 499.3
1 [Ny nanendrena an’i Bezalila sy Oholiaba ho lohan’ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa: 4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina 5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa. 6 Ary, indro, Izaho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny firenen’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao: 7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay. 8 sy ny latabatra mbamin’ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra 9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany. 10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona sy ny fitafian’ny zanany ho entiny misorona, 11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ireo. 12 [Ny amin’ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 13 Ary dia milaza amin’ny Zanak’Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. 14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’izany dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. 15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. 16 Dia hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. 17 Ho famantarana amiko sy amin’ny Zanak’Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. 18 [Ny nanomezan’Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’Andriamanitra. 1 [Ny nitomboan’ny Zanak’Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran’ny zanak’Isiraely izay niaraka tamin’i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ny ankohonany avy izy rehetra: 2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda; 3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina; 4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera. 5 Ary ny isan’ny olona rehetra naterak’i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo. 6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’izany taranaka rehetra izany. 7 Ary ny Zanak’Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany. 8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa. 9 Ary izy niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ny Zanak’Isiraely efa maro sy mahery noho isika; 10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ny tany. 11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
Mpino mahatoky
llaina tokoa ny fahaizana amam-pahalalana norantovina ho enti-manatanteraka ny asa fanompoana. Ambonin’izany anefa ny toetra mahatoky mba tsy ho olona mora mivadika na miala an-daharana. Tokony ho hita sy tsapa amin’ny mpino mahatoky amin’ny asany ireto:
1- Antso sy fifidianan’ Andriamanitra:
Hoy ny Tompo: « Indro, efa notononiko anarana Bezalila… » (and.2a). Ny teny fototra (hebreo) ampiasaina eto dia midika hoe: « nantsoiko tamin’ny anarany ». Ny DIEM kosa mandika azy hoe: « nofidiko ». Ny olona mahatsapa fa voaantso sy nofidin’ Andriamanitra no afaka hitoetra ho mahatoky amin’ny asa fanompoany. Zava-dehibe ny ahatakarana fa tsy isika na olombelona no mifidy ny tenantsika, fa Andriamanitra no miantso. Ny olona mahatoky dia manaiky fa avy amin’Andriamanitra ny iraka na asa ampanaovina azy. Jesoa Kristy dia nilaza tamin’ny Ray hoe: » Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko » (Jao 17. 4b)
2- Fahafenoan’ny Fanahin’Andriamanitra:
Tsy mandeha ila ny antso sy fifidianana fa misy ny hery ilaina hanatanterahana izany asa na iraka izany. Hoy ny Tompo: « Efa nofenoiko Fanahin’ Andriamanitra izy… » (and.3a). Fampitaovana ara-panahy sy fanomezam-pahefana hahatanterahana ny asa no hevitr’izany (fanahy = hery; fahefana fahafahana manefa). Ny Fanahin’Andriamanitra no loharanon’ny fahendrena sy fahalalana hahaizan-javatra. Koa ny olona mahatoky dia olona manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina izay hahatonga azy ho hendry na malina amin’ny zara fanompoany (Matio 10, 16) sy hahavita azy tsara ho = voninahitr’ Andriamanitra. no
Fanontaniana:
Lazao ny fomba nahatsapanao ny antson’ Andriamanitra.
Foibe Sampana Sekoly Alahady
AOGOSITRA : MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MPINO
02. Ala. IX man. Trinite
09. Ala. X man. Trinite - KFTM (Martiora)
16. Ala. XI man. Trinite
23. Ala. XII man. Trinite
30. Ala. XIII man. Trinite - AKAFITA
Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA