"STK Voafidin'i Kristy Miasa amin'ny faharetana, mamokatra tsara" Jao 15:16 Mahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo (I Kor 15:58b) ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara Titosy 2:7a
FAMPIASANA NY SITE WEB:
– Eto amin’ny pejy tongasoa ianao izao izay ahitana ny vaovao ankapobeny sy ny mety ho ilaina

– Ao amin’ny fifampizarana no ahitantsika ireto manaraka ireto:

  1. Soratra masina: fampianarana, fifampizarana, sns
  2. Hira : ireo hira hiraintsika miaraka indrindra mandritra ny isan-kerintaonan’ny Synodamparitany ny volana oktobra. Tsara iraintsika alahady any am-piangonana.
  3. Fampianarana: Tohin’ny Sekolin’ny Tanora Kristiana.
Vaovao farany
  • « STK voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara »(Jao. 15: 16) « Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (1 Kor. 15: 58b) Ry Havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa

  • Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Kor 15:58d) Misaotra ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha 20, izay natao tany Taolagnaro, ny 13-20 Aogositra 2025 lasa teo.


HAFATRA MOMBA NY FIAINAM-PIANGONANA


« Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (1Kor 15, 58d)

Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa
Kristy Tompo, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nanatanteraka ny fivoriany voalohany tao amin’ny CFD Ampandrana,
ny 15 – 22 Oktobra MF 01 SLXX, taorian’ny Synoda Lehibe faha-20 dia mitondra izao hafatra izao ho
Kristiana FJKM manerana ny sahan’ny FJKM.

 

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa amantsara ny fivoriana voalohany MF1 SLXX.
Nankatoavina tamin’izao fivoriana voalohany taorian’ny SL XX izao ny fijerin’ny Filohan’ny FJKM sy
ny fomba banatanterahana ny Vina sy ireo fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro. Izany dia mifantoka
amin’ny foto-kevitra roa lehibe dia ny FINOANA sy ny FAMPAMOKARANA, ary nofaritana amin’ny teny
fanoitra hoe : « Finoana mamokatra, mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra tsy tapaka »

Tontosa koa ny fifidianana ireo tomponandraikitra ao amin’ny Mpanatanteraka hitarika amin’ny
fanatontosana izany foto-kevitra izany dia ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tonian’ny Departemanta efatra,
araka izao :

  • Ny Sekretera Jeneraly : Dr. RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina
  • Ny Tonian’ny Departemanta Fiangonana, Asa Misiona ary ny Fanofanana Teolojika:
    RANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fanabeazana an-tsekoly sy fiarahamonina ary ny fanofanana
    Mpanabe : Andriamatoa RAMANAMISATA Tojonirina Jean Philbert
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fitantanana ny vola, ny fiahiana ny Mpiasa ary ny raharaha Lalana :
    Ramatoa RATSIMBAZAFY Holiarisoa
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fananana, Sosialy, Fampamokarana ary Fampandrosoana:
    RANADIMBY Fanantenana Lovasoa, Mpitandrina

Ampahafantarina isika, araka izany fa efatra (04) ny isan’ny Departemanta tinapaky ny S.L. XX ary
nisy fanovana ny anarana mba hahazoana mikendry ny tanjona araka ny Vinan’ny FJKM.

Voafidy tamin’izao MF1 S.L. XX izao koa ny Birao sy ny Mpikambana ao amin’ny FIFAMPI Foibe sy ny
FIFAFI Foibe ary ireo Mpandinibolan’ny FJKM Foibe.

Tanteraka soa amantsara ny fametrahana ara-pombam-piangonana ny Filoha sy ny Biraon’ny
Mpiandraikitra Foibe, ary ireo rehetra voafidy tamin’izao fivorian’ny MF 01 SL XX izao, izay notanterahina
teny amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao, tamin’ny Alahady 19 Oktobra 2025.

Ampahafantarina isika fa mitohy ny Hazakazaka Masina nataontsika ary nohatevenina tamin’ny
fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro aza izany. Koa ampirisihina sy ampaherezina hatrany isika
hahefa be amin’izany hazakazaka Masina izany.

Aoka hanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny Sekoly FJKM ka hantanteraka ireo adidy samihafa
manandrify ny isam-pitandremana, ary ampirisihina hatrany ny hanatanterahantsika ny Kitapo
Iombonan’ny Sekoly (KIS).

Manentana hatrany antsika Synodamparitany sy Fitandremana mba hikajy ny fananana ary
hampamokatra ireny mba hahazoantsika mampandroso ny Fiangonana sy hijoro ho vavolombelona eo
anivon’ny fiarahamonina. Taomina koa isika mba samy hanatanteraka ny Adidy lombonana amin’ny
fotoanany avy, satria mariky ny fiombonantsika izany.

Farany, manentana antsika hatrany mba hahatsiaro hitondra hivavaka ho an’ny firenentsika, fa hoy ny
Soratra Masina: « Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatuo izay fangatahana, fivavahana,
fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba
hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana
rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika. » (2 Tim 2, 1-3).

Amin’ny Anaran’ny Mplandraikitra Foibe,
KRNg Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe


Hetsika

Famaranana ny faha-50

Mofonaina
  • Sal.92. 1-3/ Hira 16 1, 4/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 47

    Asan'ny Apostoly 4,23 – 31

    23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan’ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren’ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, 30 omban’ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.

    Ny olona misedra fanenjehana

    1- Mitoky amin’ny fahefan’Andriamanitra

    « Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin ‘izay rehetra ao anatiny » (and. 24)

    Fehezanteny voalohany tamin’ny tonom-bavaka nataon’ny mpianatra nanoloana ny fanenjehana nataon’ny manam-pahefana azy ireo izany. Vavaka mikendry fahatokiana; vavaka fiombonana maneho ny fahefan’ Andriamanitra. Ary izany no nampihovitrovitra ny trano. Araka izany, rehefa mivavaka isika dia mila miombona sy miray saina, atomboka amin’ny fanekena ny fahefan’ Andriamanitra. Andriamanitra no mifehy ny hery ara-panahy rehetra, manara-maso ny raharaha ara-politika, ary mifehy ny korontana mety hitranga. Koa aza hadinoina ny mivavaka hoe « Andriamanitry ny lanitra ô!… ».

    2- Sahy mijoro vavolombelona

    « Ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana » (and. 31)

    Rehefa avy nivavaka ry Petera sy ny namany izay niangona dia feno ny Fanahy Masina. Ary vokatry ny asan’ny Fanahy Masina, dia « nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana » izy ireo. Ny herin’ny Fanahy Masina no nahatonga azy ireo sahy nijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara. Toy izany ihany koa isika, raha tiana ny hitory Filazantsara ao anaty fanenjehana dia angataho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mampahery, manome fahasahiana; Izy no manafaka ny tahotra ao anatin’ny olona sy manome fahasahiana hitory an’i Kristy.

    Fanontaniana:

    Inona no tokony hatao raha miatrika fanenjehana?

    Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Perikopa 2025

OKTOBRA : MIVAVAHA MANDRAKARIVA

04. Ala. XVIII man. Trinite
  • Dan. 6, 5 – 14
  • Lio. 18, 1 – 8
  • 1Tes. 5, 16 – 25
11. Ala. XIX man. Trinite0 - Radio Protestanta FFPM
  • Jer. 29, 10 – 15
  • Mat. 26, 36 – 46
  • Heb. 13, 18 – 19
18. Ala. XX man. Trinite - Masera MAMRE
  • Deo. 26, 5 – 11
  • Jao. 17, 20 – 26
  • Joda 17 – 23
25. Ala. XIX man. Trinite - SAFIF FJKM Reformasiona
  • 2Mpa. 23, 1 – 3
  • Lio. 22, 39 – 46
  • Apo. 19, 5 – 10

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA


Radio fahazavana