Home Ny mampiavaka ny mpanompon’ Andriamanitra

Ny mampiavaka ny mpanompon’ Andriamanitra

Sal 9 / Hira 638 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 760

Eksodosy 17,8 – 16

8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9 Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana aho ka hitana ny tehin’Andriamanitra et? an-tanako. 10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy, ka niady tamin’ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. 11 Ary raha nasandratr’i Mosesy ny tĂ nany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tĂ nany, dia nahery kosa ny Amalekita. 12 Fa efa vizana ny tanan’i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tĂ nany, ka ny iray tamin’ny anila, ary ny iray kosa tamin’ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tĂ nany mandra-pahafatin’ny masoandro. 13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra. 14 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Soraty eo amin’ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ny lanitra. 15 Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. 16 Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’i Jehovah amin’ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara mandimby.

Ny mampiavaka ny mpanompon’ Andriamanitra

1-Manaraka fandaminana

« Ary Josoa dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy taminy » (and10): Nibaiko an’i Josoa i Mosesy mba hifidy lehilahy, handeha ka hiady amin’ny Amalekita. Ny Amalekita dia nampahory ny vahoakan’ Andriamanitra. Tsy niady hevitra na nisalasala i Josoa fa nanatanteraka. Izay kristiana na Fiangonana mahay mihaino sy manaraka ny toromarika omen’ny mpitarika azy dia handroso tokoa. Anjarantsika àry ny manaraka an-tsakany sy an-davany ny baiko izay omen’i Jesoa Tompontsika. Tanteraho ny fanompoanao.

2-Manohana sy manampy ny mpitarika azy

« Ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ny anila, ary ny iray kosa tamin’ny anila » (and12): Mitazona, manampy tsy hihintsana na hianjera no hevitry ny hoe: « manohana » eto. Tsy navelan’i Arona sy Hora hiady irery i Mosesy. Tsy maintsy manampy ny mpitarika isika. Mivavaka ho azy ireo, mitondrà soso-kevitra mampahery, miombona, eny manampy amin’ny lafiny rehetra. Aza avela handalo fotsiny àry ireo fotoana manokana hitondrana am-bavaka azy ireo. Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa miharatsy izao fiainana izao.

3-Mahazo fandresena miezinezina

« Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony » (and13): Isan’ny fanalahidin’ny fandresena ny fanarahana fandaminana, ny fifanohanana. Mampiavaka antsika Malagasy ny firaisan-kina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Mijoroa, ary aoka ho mpandresy hatrany.

Fanontaniana

Ahoana no atao mba handresena ireo fahavalo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady

Author:

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *