Home Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny fahefana

Ny iraka rehetra dia miaraka amin’ny fahefana

Sal 95, 1-5 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 630

Lioka 8,22 – 25

22 Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23 Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon’ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin’ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. 24 Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. 25 Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Author:

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *