Home Ny fahasambaran’ny olona mahatoky

Ny fahasambaran’ny olona mahatoky

Sal. 103,1-3 / Hira 167,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336. 2

Salamo 1,1 – 2

1 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira; 2 Fa ny lalĂ n’i Jehovah no sitrany; eny ny lalĂ ny no saintsaininy andro aman’alina.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MPINO

Ny fahasambaran’ny olona mahatoky.

1. Ny fahasambarana dia avy amin’ny safidy ataon’ny olona.

Sambatra: toetry ny olona misitraka ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Mizotra amin’ny fahatsarana hatrany ny fiainany, ary toa zary mifanohitra amin’ny dingana miharatsy:

Manomboka mizotra amin’ny eritreritry ny fahalavoana ny olona ao amin’io, ary raha tsy voatandrina dia lasa fiainana ka miafara amin’ny fahaverezana. Koa ny fahasambarana àry, dia ny safidin’ny olona hiala amin’izany lalana tsy izy ihany.

2.Ny fahasambarana dia mitarika fifaliana amin’ny lalan Andriamanitra.

Ny lalàna dia tsy didy fotsiny ka natao hotandremana fa fampianaran’Andriamanitra mitarika ny mpino iray ho amin’ny fiainana tsara sady maharitra.

Fanontaniana:

Inona koa no heverinao fa mahasambatra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady

Author:

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *