Home Mofonaina Zoma, faha 31 Oktobra 2025

Mofonaina Zoma, faha 31 Oktobra 2025

Jaona 11. 47-53


47  Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. 48  Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika. 49  Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, 50  na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. 51  Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; 52  ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. 53  Koa hatramin’izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.

Ny fitoriana ny Filazantsara

1- Natao ho anโ€™ny olona rehetra

ยซโ€ฆFa satria mpisoronabe taminโ€™izany taona izany izy, dia naminany fa Jesoa ho faty hamonjy ny firenena; ยป (and. 51)

Kaiafa mpisoronabe dia iray aminโ€™ireo mpikambana tao aminโ€™ny Synedriona., Natahotra ny Romana noho ny fanarahanโ€™ny olona anโ€™i Jesoa. Nivory ny Synedriona I Kaiafa kosa nilaza fa i Jesoa no mpamonjy ny firenena rehetra. Naminany ny aminโ€™i Jesoa Kristy izy. Hainโ€™Andriamanitra ny manetsika ny olona samihafa, eny fa na dia ny olona heverina ho mpanohitra anโ€™i Kristy aza, mba hitory Filazantsara aminโ€™ny hafa. Tsy ny olona heverina ho mahalala ny Filazantsara ihany no ampiteneninโ€™ Andriamanitra momba ny Filazantsaranโ€™i Jesoa Kristy, fa ny olona izay tsy mankamamy Azy ihany koa.

2- Mitondra famonjena

ยซโ€ฆAry tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanakโ€™Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.ยป (And. 52)

Ny famonjena nataonโ€™i Jesoa Kristy dia mitarika ho aminโ€™ny fanangonana ireo vahoaka Jiosy any ivelanโ€™ny Palestina, ireo Jiosy-Samaritana, ary ny Jentilisa. Mampiombona ny olona samihafa firenena ny famonjena vitanโ€™i Kristy. Andraikitry ny mpitory Filazantsara ny manambara aminโ€™ny olona fa ny famonjena nataonโ€™i Kristy dia natao ho anโ€™ny olona rehetra. Tsy anavahana sokajinโ€™olona ny famonjenโ€™ i Kristy. Fa ny andrasana aminโ€™ny olona mandre ny Filazantsara kosa, dia ny hananany finoana anโ€™i Jesoa Kristy. Ambarao ny olona rehetra izany.

Fanontaniana:

Ahoana ny itoriana filazantsara ao anaty fanenjehana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Author: stk

One Comment

  1. Bonjour, ceci est un commentaire.
    Pour dรฉbuter avec la modรฉration, la modification et la suppression de commentaires, veuillez visiter lโ€™รฉcran des Commentaires dans le Tableau de bord.
    Les avatars des personnes qui commentent arrivent depuis Gravatar.

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *