Home Ny olona iasan’ny Fanahy Masina

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina

Sal 102.1-2 / Hira 201 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 645.1,3

Asan'ny Apostoly 7,54 – 8,1

54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin’ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an’i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan’ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian’ny Filipo tany Samaria sy tamin’ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin’izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.

Author:

Leave a Reply

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *