HAFATRY NY KOMITY FOIBE STK
« STK voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara »
(Jao. 15: 16)
« Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (1 Kor. 15: 58b)
Ry Havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny Birao sy ny Komity Foibe STK izay nivory ny 13, 14 Novambra 2025, teto amin’ny Tabita
Ampandrana, Antananarivo dia mitondra izao hafatra izao ho an’ny STK manerana ny sahan’ny FJKM.
Isaorana Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny fivoriana izay notarihin’ny Birao sy natrehan’i
Mpiandraikitra Foibe mpiahy ny STK, Andriamatoa RAMADIMISAINA Jean Denis; Isaorana toy izany ihany koa
Andriamatoa ANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana,
izay nitondra fampianarana.
Toy izao no hafatra ampitaina amintsika STK manerana ny sahan’ny FJKM:
- Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe dia tsy manao fitokanana fanamiana ny FJKM, tsy ekena ny litorjia fitokanana fanamiana, fa ny mivavaka ho an’ilay olona mitondra ny fanamiana no atao rehefa misantatra fanamiana. Indray mandeha isaky ny efatra taona no afaka manao Fihaonambe ny Sampana, Sampanasa ary Asa.
- Tanteraka ny fandinihana ny vina sy tetikasa 2026 ka hatao ho vaindohan-draharaha ny fampianaram-
pinoana amin’ny alalan’ny Soratra Masina ho an’ny STK isam-pitandremana. - Entanina ny Tanora hiroso amin’ny fianarana Katekomena, SEFALA, SAMM, SETELA, Mpiomana ho
Mpitandrina. Tohizana ny fampiofanana ireo Mpitarika Antoko Mpihira - Entanina ny STK Synodamparitany, Fitandremana hanamafy ny fanatanterahana ny Tafika Masina amin’ny fomba rehetra izay hahafahany manao izany, ka samy hametraka izany ao anaty tetikandro. Mba ho tanora sahy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny sehatra misy azy, mahataona tanora maro ho an’i Jesoa Kristy, afaka manampy ny tancra namany sy ny mpiara-belona aminy indrindra ny tra-pahasahiranana, ary vonona hanao tantsoroka ho an’izay mbola voageja.
- Hamafisina ny fanajana sy fanatanterahan’ny Fitandremana ny Alahady Nasionaly STK ary samy handefa rakitra hiakatra aty amin’ny Foibe.
- Ampiomanina isika STK rehetra fa hotanterahina ny 26 – 30 Aogositra 2026, any Nosy Be Hell-Ville ny Fihaonambe Nasionaly STK. Ny lohahevitra amin’izany dia ny hoe: « STK VOAFIDIN’I KRISTY, MIASAAMIN’NY FAHARETANA, MAMOKATRA TSARA » (Jao. 15: 16).
- Entanina ny STK isaky ny ambaratonga hanatanteraka fiarahabana ireo Ray aman-dreny isaky ny taona vaovao.
- Ampiomanina isika fa hotanterahina ny taona 2026 ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpandraharahan’ny STK Foibe, Ramatoa RAHARISOA Vonintsahondra Tiana, ka hisy hetsika samihafa handraisantsika rehetra anjara amin’izany.
- Araka ny fanapahan-kevitry ny Zaikabe dia ny faran’ny volana Novambra amin’ny taona itsahina no farafandoavana adidy. Ny Synodamparitany tsy mahavita ny adidy amin’ny taona itsahina na alohan’ny Fihaonambe Nasionaly dia tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninana rehetra amin’ny Fihaonambe Nasionaly.
- Efa nivoaka indray ilay Fihirana Solfa STK izay amidy 10 000 Ar, entanina isika samy hanjifa sy hampiasa izany. Hohitanareo any amin’ny Komity Foibe isaky ny Synodamparitany izany.
Koa manantena ny fiarahantsika STK amin’ny fanatanterahana izany rehetra izany. Ary dia manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’ny Tompo.

Leave a Reply