Home Sermons Hafatra momba ny fiainam-piangonana

Hafatra momba ny fiainam-piangonana

31 Oct

Hafatra momba ny fiainam-piangonana

« Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (1Kor 15, 58d)

Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nanatanteraka ny fivoriany voalohany tao amin’ny CFD Ampandrana, ny 15 – 22 Oktobra 2025 MF 01 SLXX, taorian’ny Synoda Lehibe faha-20 dia mitondra izao hafatra izao ho Kristiana FJKM manerana ny sahan’ny FJKM.

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa amantsara ny fivoriana voalohany MF1 SLXX.

Nankatoavina tamin’izao fivoriana voalohany taorian’ny SL XX  izao ny fijerin’ny Filohan’ny FJKM sy ny fomba hanatanterahana ny Vina sy ireo fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro. Izany dia mifantoka amin’ny foto-kevitra roa lehibe dia ny FINOANA sy ny FAMPAMOKARANA, ary nofaritana amin’ny teny fanoitra hoe : « Finoana mamokatra, mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra tsy tapaka »

Tontosa koa ny fifidianana ireo tomponandraikitra ao amin’ny Mpanatanteraka hitarika amin’ny fanatontosana izany foto-kevitra izany dia ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tonian’ny Departemanta efatra, araka izao :

  • Ny Sekretera Jeneraly : Dr. RAKOTONINDRAINY  Jaona, Mpitandrina
  • Ny Tonian’ny Departemanta Fiangonana, Asa Misiona ary ny Fanofanana Teolojika : RANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fanabeazana an-tsekoly sy fiarahamonina ary ny fanofanana Mpanabe : Andriamatoa RAMANAMISATA Tojonirina Jean Philbert
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fitantanana ny vola, ny fiahiana ny Mpiasa ary ny raharaha  Lalàna : Ramatoa RATSIMBAZAFY Holiarisoa
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fananana, Sosialy, Fampamokarana ary Fampandrosoana : RANADIMBY Fanantenana Lovasoa, Mpitandrina

Ampahafantarina isika, araka izany  fa efatra (04) ny isan’ny Departemanta tinapaky ny S.L. XX ary nisy fanovana ny anarana mba hahazoana mikendry ny tanjona araka ny Vinan’ny FJKM.

Voafidy tamin’izao MF1 S.L. XX izao  koa ny Birao sy ny Mpikambana ao amin’ny FIFAMPI Foibe sy ny FIFAFI Foibe ary ireo Mpandinibolan’ny FJKM Foibe.

Tanteraka soa amantsara ny fametrahana ara-pombam-piangonana ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ary ireo rehetra voafidy tamin’izao fivorian’ny MF 01 SL XX izao, izay notanterahina teny amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao, tamin’ny Alahady 19 Oktobra 2025.

Ampahafantarina isika fa mitohy ny Hazakazaka Masina nataontsika ary nohatevenina tamin’ny fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro aza izany. Koa ampirisihina sy ampaherezina hatrany isika hahefa be amin’izany hazakazaka Masina izany.

Aoka hanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny Sekoly FJKM ka hantanteraka ireo adidy samihafa manandrify ny isam-pitandremana, ary ampirisihina hatrany ny hanatanterahantsika ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly (KIS).

Manentana hatrany antsika Synodamparitany sy Fitandremana mba hikajy ny fananana ary hampamokatra ireny mba hahazoantsika mampandroso ny Fiangonana sy hijoro ho vavolombelona eo anivon’ny fiarahamonina. Taomina koa isika mba samy hanatanteraka ny Adidy Iombonana amin’ny fotoanany avy, satria mariky ny fiombonantsika izany.

Farany, manentana antsika hatrany mba hahatsiaro hitondra hivavaka ho an’ny firenentsika, fa hoy ny Soratra Masina : « Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika. Â» (2 Tim 2, 1-3).

Amin’ny Anaran’ny Mpiandraikitra Foibe,

Ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina

hafatra momban'ny fiainam-piangonana